Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nahazo fitaovam-pitsaboana nify vaovao : mandray marary 30 isan’andro ny CSB II Isotry

Nahazo fitaovam-pitsaboana nify vaovao  : mandray marary 30 isan’andro ny CSB II Isotry

30 isan’andro ny olona tonga manatona ny toeram-pitsaboana nify ao amin’ny CSB II Isotry central, araka ny fanazavan’ny dokotera mpitsabo nify, Raharinosy Yves, omaly teny an-toerana. Maro anisa amin’ny mpahazo tombontsoa ny marary avy amin’ny fianakaviana sahirana ao anatin’ny fokontany sy eto Antananarivo. Tsy mikarakara ny fahasalaman’ny nosy sy ny ativava matetika ny vahoakan’Antananarivo nefa ny 90% mila fitsaboana avokoa raha ny zava-misy. Toe-tsaina efa raiki-tampisaka amin’ny olona ny manala ihany raha vao misy nify iray marary. Miezaka mandresy lahatra ny marary hitsabo nify ny dokotera misahana izany fa rehefa tsy maintsy esorina vao miroso amin’izany. Mitsabo, manadio nify, manamboatra solonify, manitsy nify, manala nify… vitan’ny toeram-pitsaboana nify ao amin’ny CSB II Isotry Centrale avokoa izany miaraka amin’ny mpitsabo nify roa.

Rehefa esorina ny nify ho an’ny olon-dehibe iray ohatra ny vazana, tsy afa-mitsako tsara intsony ka mampiasa betsaka ny vavony indray. Ho an’ny ankizy madinika indray, eo amin’ny faha 7 taony no tokony hoesorina ny vazana mbola hifona.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.