
Tsy afaka ny hangina fotsiny amin’izao. “Miantso antsika vahoaka eto Analamanga mba ho tony. Aoka koa anefa isika ho mailo ary hamantatra ny fiavian’ny vaovao miely ary hanontany ny tompon’andraikim-panjakana akaiky indrindra raha misy ny tranga mampiahiahy”, hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga, Rakotonanahary Ndranto, omaly.
Nambarany fa efa samy mandray ny andraikitra tandrify azy avokoa ny mpitondra isan’ambaratongany. Anisan’izany ny eo anivon’ny faritra, manara-maso sy mijery akaiky ary miezaka manadihady ny niaingan’ireny feo ireny. Nampitandrina rahateo ny fiadidiana ny faritra fa tsy handefitra amin’ireo mety mbola hanao izany eny anivon’ny fiarahamonina. “Tafiditra ao anatin’izany ireo mamafy lainga amin’ny vahoaka hahatonga azy ireo hino fa tsy mahefa ny mpitantana sy ny mpitondra… Tsy hanaiky ny hanaovana fitaovana izany tsaho izany hampisavorovoroana ny fiarahamonina sy ny vahoaka eto Analamanga izahay”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny nahatonga izao fanambarana sy fandraisana andraikitra nataon’ny faritra izao ny tsaho sy ny honohono tato anatin’ny andro vitsy momba ny filazana fa misy andiana mpitandro filaminana, miaraka amin’ny mpitsabo, manao an-keriny manindrona vaksinin’ny pesta eny anivon’ny sekoly rehetra eny.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.