Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Foana ny fepetra amin’ny pesta, saingy…

Foana ny fepetra amin’ny pesta, saingy…

 Niray  feo ny mpiara-miombona antoka amintsika sy ny fitondrana, taorian’ny dinika  teny Mahazoarivo,  omaly. “Foana  ny  fepetra teo aloha momba ny pesta. Miverina amin’ny andavanandro  ny fiainan’ny mponina,  manomboka izao”,  hoy  ny Praiminisitra, Mahafaly nitatitra izany.  Na  izany aza,  mitohy ny ady atao  amin’ny pesta ka tokony handray andraikitra ny  rehetra,  manomboka eny ifotony, araka  ny nambarany. “Ady sarotra io satria mbola ao anatin’ny vanim-potoan’izany isika  ka  tsy tokony handrihandry. Mitohy  ny hetsika fanadiovana… ”, hoy  ihany  izy. Nisaorany avokoa ireo nanampy antsika. Ohatra ny Pnud, OMS,  Unicef.  Teo koa ny fitondrana Sinoa sy ny Maraokanina ary ireo  mpitsabo  rehetra.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.