
Tsy matoky ny mpitondra intsony. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonan’ireo mpanao politika maromaro, nivory tetsy Antaninarenina, izany, omaly. « Takinay ny hijerena sy hanaraha-maso akaiky ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ny lalàm-pifidianana mba tsy ho tonga amin’ny korontana sy krizy ny firenena », hoy ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena. Tsy te hahita ny tranga tahaka ny miseho any Afrika ireto mpanao politika ireto ka izao mitady fanohanana izao. Nohitsin’izy ireo fa tokony hangarahara izao dingana hirosoana amin’ny fifidianana izao. « Aoka hohenoina ny feon’ny hery velona rehetra ary tokony horaisina dieny izao ny fepetra rehetra tsy hahatongavana amin’ny savorovoro eto amin’ny firenena. Mba ho fifidianana azo antoka sy eken’ny rehetra izany hataontsika izany », hoy ihany izy ireo. Nohitrikitrihin’izy ireo fa mampiahiahy ny fihetsiky ny fanjakana manoloana io volavolan’ny lalàm-pifidianana io. Miantso ny iraisam-pirenena koa izy ireo mba hanohana sy hanampy eo amin’ny lafiny teknika sy vola izany.
Ho toy ny lalàn’ny serasera sy ny fifandraisana
Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Tim sy ny Freedom, ny Teza sy ireo maro hafa, miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena. Nilaza ny mbola hanohy ny fivoriana sy ny fampotambaran-kery izy ireo, manoloana ny fiahiahiana ny fanjakana mialoha ny hiatrehana ny fifidianana. Efa nisy rahateo ny fihaonana teo aloha ary nanomezana fe-potoana herinandro ny fitondrana hamoaka izany volavolan-dalàm-pifidianana izany. Tsy nivaly anefa izany ka izao miantso ny iraisam-pirenena izao izy ireo mba tsy ho tahaka ny lalàn’ny serasera sy ny fifandraisana ny lalàm-pifidianana ka hiova an-dalana, tsy araka ny fakan-kevitra sy ny niaingana tany am-boalohany.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.