Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alain Mousk : « Mila asongadina ny famoronana »

Alain Mousk  : « Mila asongadina ny famoronana »

Mpanakanto zanak’i Toliara. Alain Mousk, tsy mba anisan’ireo mpanakanto mpanao dika mitovy na mivelona amin’ny fakana tahaka fa milofo andro aman’alina amin’ny asa famoronana. « Mila asongadina izay asa famoronana entanin’ny aingam-panahy tsy mety ritra izay », hoy izy. Tsy ny famoronan-kira sy ny fandrindrana ihany no anasongadinan’i Alain Mousk izay asa famoronana izay fa amin’ny soradihy ihany koa. « Izaho ihany no manajary ireo soradihy mifanaraka amin’ny hiranay », hoy izy. Tsy mionona amin’ny gadona iray izy fa sady mahaforona ny milamina toy ny « slow » no mahavita ny mihetsiketsika tahaka ny « coupé décalée » ihany koa.

Tononkira tsotra sy mora raisina, mampita hafatra (fitiavana, fifandeferana, fifampitokisana…). Feo afaka manakatra ny ambany sy ny ambony indrindra.  Samy tafiditra ao anatin’ny sanganasan’i Alain Mousk avokoa ireo. Anisan’ny vazo nentiny voalohany teo amin’ny sehatry ny fanapariahana ny sanganasany ny « Fitiava moky ».

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.