
“Tsy mila fanitsiana ny lalàmpanorenana na kely aza ny fifidianana azy ireo mivantana, satria izy mihitsy no efa manaiky ny hanaovana azy. Tsy mitombina ny filazana fa ny solontenan’ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (CTD) irery ihany no hany azo fidina.” Izay ny fanambarana “Fifidianana ny lehibem-pokontany: ampiharina ny lalàna“, navoakan’ny Sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena (Sefafi), ny 4 novambra lasa teo, momba ny fifidianana filoham-pokontany.
Mila vakina ary ampiharina ny didim-panjakana lah. 2009-890 mametra ny fandaminana sy ny fiasa ary ny andraikitry ny fokontany. Tendrena amin’ny alalan’ny didim-pitondran’ny lehiben’ny distrika aorian’ny fifidianana azy ireo mitokana ny lehibem-pokontany sy ny lefiny, araka ny And. 5. Ho an’ny kaominina an-tanàn-dehibe, Antananarivo manokana, manendry ny lehibem-pokontany sy ny lefiny amin’ny alalan’ny didim-pitondrana ny prefen’ny polisy.
Afa-mampitsahatra ny asan’ny mpikamban’ny komitim-pokontany amin’ny alalan’ny didim-pitondrana ny lehiben’ny distrika, araka ny And. 6. Tsy maintsy asiana antony io didim-pitondrana io. Anaovana fanendrena vaovao ny mpikambana ao amin’ny komitim-pokontany, raha vao mandray ny andraikiny ny ben’ny Tanàna voafidy. Taorian’ny fanavaozana ankapobeny ny fotoam-piasana any amin’ny kaominina izany, araka ny And. 7.
Mila atao izay hampanara-dalàna ny toe-draharaha
“Na inona na inona fanambarana enti-manohitra azy, hita tsara eto fa tsy ilaina velively ny mikitika ny lalàmpanorenana”, hoy ny fanambarana. Tena azo atao, ary mifanaraka amin’ny lalàna, raha ny olom-pirenena voakasik’izany no mifidy ny lehibem-pokontany. Ankoatra izany, tsy mila kara-pifidianana ny mifidy lehibem-pokontany: ampy rehefa feno 18 taona, ka manana fanamarinam-ponenana.
Tena tsy maintsy atao izany izay hampanara-dalàna ny toe-draharaha ka tanterahina ny fifidianana ny lehibem-pokontany rehetra, araka io didim-panjakana lah. 2009-890 io, ary alohan’ny hisokafan’ny fotoam-pifidianana taona 2018. Ilaina io fepetra io satria izay no hahazoana manavaka ny fifidianan’ny olom-pirenena ny lehibem-pokontany amin’ny fifidianam-pirenena sady feno politika amin’ny manaraka.
R.Nd.
Les commentaires sont fermées.