Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : Hasin’ny Antemierampirenena – Hajan’ny solombavam-bahoaka

Miverina indray ny resabe momba ny 4X4 ho an’ny depiote. Noho ny fahafantaran’ny maro ny tena marina mikasika an’io raharaha io dia mifangaro ao daholo ny fanendrikendrehana sy fanosoram-potaka. Fanontaniana iray dia efa saro-baliana ho an’ireo tsy mitsahatra no manasoketa. Atolotra maimaimpoana sa misy fandraisan’ny depiote anjara izany 4X4 izany ? Araky ny feo miparitaka moa dia misy ny fiadiam-barotra eo amin’ny governemanta sy ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena. Eo anefa dia nanome fanazavana ny Filohan’ny Antenimiera. Jean Max Rakotomamonjy moa dia saro-piaro raha vao misy fitsikerana heveriny ho tsy rariny mikasika ny ao Tsimbazaza. Ataony toy ny adidiny ny fiahiana ny hasin’ny Antenimiera sy ny fiarovana ny hajan’ny depiote. Ireto moa dia solom-bavambahoaka, ny Antemiera kosa dia solontena mahefa amin’ny anaran’ny vahoaka. Araky ny fanitsiana nentin’Andriamatoa Jean Max Rakotomamonjy dia na inona na inona fifandirana eo amin’ny fifanakalozan-kevitra dia tsy misy takalony eo amin’ny fanatanterahana ny andraikitra, tsy mivarotra ny fanahiny amin’ny mahaolona azy ny depiote. Noraisiny ohatra ny fifidianana ny tenany ho Filohan’ny Antenimiera. Tsy nisy fifanarahana natao ho sandan’izany. Raha lany izy dia hany andrasan’ny mpikambana avy aminy dia ny fanatanterahany ny adidy eo amin’ny fandaminana sy eo amin’ny fiarovana ny hasin’ity andrim-panjakana ity.

Mifanipaka amin’izany hevitra ijoroan’ny Antenimierampirenena izany anefa ny ao amin’ny Antenimieran-doholona raha ny voalaza ao amin’ny Fotaom-bitan’ny Filoham-pirenena no dinihana. Araky ny voalaza, ny tsiny azo anamelohana an’Andriamatoa Rakotomanana Honoré izay nametraka fialana dia ny tsy fahampian’ny fahavitrihana tamin’ny fanenjehana ny ota nanatona senatera iray, izay voampanga ho nitarika fanakorontanana. Misy ihany moa jery vilana na mitongilana amin’izany fa mbola misy raharaha iray hafa mikasika senatera ihany koa mitarozaka izay tsy izy fa namana moa ilay voasarigontra amin’izany ka tsy atao resaka. Ny tsapa ary azo resahina raha mamaky an’io Fotaom-bita io, dia ny mikasika ny fifandraisan’ny Fehefana Roa Tonta, andaniny ny Mpanatanteraka ary ankilany ny Mpanao lalàna. Mifameno izy ireo, fa tsy mifampiakina fa samy manana ny hasiny. Diso ilay fiheverana fa andry mpanome hasina ny sitrapon’ny fitondrana fotsiny ny Parlemanta.

Leo Raz

 

Les commentaires sont fermées.