Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nampitondra faisana ny maro… : voasambotra ireo mpanendaka malaza eny amin’ny Cenam

Nampitondra faisana ny maro…  : voasambotra ireo mpanendaka malaza eny amin’ny Cenam

 Nidoboka am-ponja, omaly ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanendahana sy sinto-mahery amin’iny faritra Isotry sy Andranomanalina hatreny amin’ny Cenam iny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahefatra eny Isotry teny Andranomanalina sy Cenam ry zalahy ireto, ny talata lasa teo. Lasibatr’ireo olon-dratsy tamin’izany ny renim-pianakaviana iray ka nanao fitarainana tamin’ireo polisy nanao fisafoana fa hoe nendahina lehilahy roa. Nilaza ilay renim-pianakaviana fa fantany sady tadidiny tsara izy roa lahy ireo sy ny misy azy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy niaraka tamin’ilay renim-pianakaviana ka nanaraka ireo jiolahy. Hita teo Andranomanalina ry zalahy ka nitsoaka niditra tany an-tranony raha vao nahatazana ireo polisy. Rehefa narahina hatrany an-tranony izy roa lahy, mbola nahatrarana rongony tany amin’izy ireo.

Teny an-dalana hitondra azy roa lahy ireo ho eny amin’ny biraon’ny polisy, nisy lehilahy iray koa tratra teo am-panendahana teo amin’ny tetezana R+5 eny amin’ny Cenam ka nentina niaraka tamin’izy roa lahy koa. Niaiky ny heloka vitany ireto jiolahy ireto.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.