Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fasan’ny Karana : vehivavy nahatrarana rongony

Fasan’ny Karana  : vehivavy nahatrarana rongony

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly ilay vehivavy, 29 taona tratry ny polisy teny  Fasan’ny Karana, ny talata teo. Nahazo loharanom-baovao ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina momba ny fisian’ity vehivavy mpanao trafikana rongony ity izay niala tamin’ny kamiaobe iray ary mitondra rongony amina sakaosy lehibe iray eny amin’ny Fasan’ny Karana. Nidina haingana teny an-toerana avy hatrany ny polisy ka noraisim-potsiny izy niaraka tamin’ny rongony milanja 8 kg mahery tao an-tranony.

Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa efa indimy nigadra teny
Antanimora noho ny fivarotana rongony. Vao avy nalainy tany Ihosy ireo rongony ireo raha ny filazany ka 250 000 Ar no nividianany azy tany an-toerana. Nohamafisiny tamin’ny fanadihadian’ny polisy fa efa asa fivelomany mihitsy ny fivarotana rongony.

Tsy mety ho fongana mihitsy ity resaka trafikana zava-mahadomelina ity.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.