Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Entana aman-taonina simba… : rendrika ny sambo “Atlantis II”

Entana aman-taonina simba…  : rendrika ny sambo “Atlantis II”

 Aman-taoniny ireo entana natelin’ny ranomasina nandritra ny faharendrehan’ilay sambo M/S Atlantis II tany amin’ny sisin-dranomasina Mahambo, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly…

 

Tratran’ny loza an-dranomasina ny sambo lehibe iray antsoina hoe Atlantis II mpitondra entana. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny faritra Analanjirofo, andro ratsy ny antony satria nisamboaravoarabe ny ranomasina ka nisy fiantraikany tamin’ireo fitaovana ara-teknika tao amin’ilay sambo. Vokany, tsy nisy nandeha intsony ny fitaovana rehetra tao anaty sambo ka nanapa-kevitra nitady toerana hitodiana teny amin’ny manodidina ny kaomandan’ity sambo ity. Nidona mafy tamin’ny vato teo amin’ny fari-dranomasina Fenoarivo Atsinanana, araka izany, ilay sambo ka potika tanteraka. Tsy avotra intsony koa ny ankamaroan’ireo entana aman-taoniny nentin’ilay sambo. Vary, zava-pisotro maro samihafa niampy ireo enta-madinika fampiasa andavanandro no nentin’ilay sambo. Entana vitsivitsy ihany sisa avotra tamin’ity loza an-dranomasina ity. Nanampy trotraka izany rahateo koa ny andro alina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa avotra daholo ireo olona niaraka tamin’ity sambo ity. Tsy niandry ela fa tonga haingana teny an-toerana ny solontenam-panjakana avy ao amin’ny faritra Analanjirofo nijery ifotony ny olana ka nahatonga ny loza. Mitohy ny fanadihadiana momba ity loza ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.