Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CSM – Toamasina : Voafidy Rajaonah Thierry

CSM  – Toamasina  : Voafidy Rajaonah Thierry

Laharana voalohany tamin’ireo mpifaninana amin’ny hisolo tena ny avy any Toamasina  ho eo  anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara  (CSM), Rajaonah Laurent  Thierry, lehiben’ny fampanoavana ambaratonga voalohany any  an-toerana. Laharana faharoa kosa Tombozavelo Philistin, mpitsara misahana eo anivon’ny sampampitsarana ambony. Notanterahina ny alarobia teo koa ny fifidianana  sy nanaovana ny fanisam-bato. Miisa 59 ireo  mpitsara voasoratra anarana tamin’ny

lisi-pifidianana ary mitsinjara tahaka  izao : sampam-pitsarana ambaratonga voalohany Toamasina miisa 21; fitsarana ambony misy mpifidy voasoratra anarana 13 ; fitsarana Ambatondrazaka miisa sivy ; Moramanga valo ; ary Maroantsetra sy Vatoamandry; nahitana mpitsara efatra avy voasoratra  anarana

Nibata ny  fandresena Rajaonah Laurent Thierry nahazo ny isam-bato 33 amin’ny mpifidy 59. Vato 25 kosa ny azon’ ny laharana faharoa ary vato fotsy iray.

Sajo

Les commentaires sont fermées.