Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antoko Maitso hasin’i Madagasikara : « Ilaina ny fifanarahana politika mba tsy ho tonga amin’ny korontana … »

Antoko Maitso hasin’i Madagasikara  : « Ilaina ny fifanarahana politika mba tsy ho tonga amin’ny korontana … »

 Nivahiny tao amin’ny fandaharana « Ambarao » eo anivon’ny onjampeo Alliance  92  FM,  omaly, ny birao  nasionalin’ny antoko  Maitso  hasin’i Madagasikara, Ratafika. Nivoitra  tamin’izany  ny hevitr’izy ireo momba ny fifidianana sy ny lalàmpanorenana… Ampahany amin’ny  resadresaka. 

 

Mitondra fanitsiana ary mijery ny  fomba hanatsarana ny lalàm-pifidianana izahay. Aminay,  ilaina ny fifanarahana politika satria vahaolana izany mba tsy ho tonga amin’ny korontana  isika.  Hapetraka mazava  ny fanovana tiana hatao ary ao anatin’ny mangarahara mba hahatonga ny kandidà hanana zo  mitovy amin’ny fifidianana”, hoy  izy. Noraisiny ohatra  ny  tsy  fanarahan-dalàna efa  fahita toy ny fampiasana fitaovam- panjakana nefa  tsy nisy ny fepetra  noraisina.  “Tokony harahi-maso izany na  efa eo aza ny lalàna ary hampiharina…”, hoy ihany Ratafika.  Nanteriny koa  ny tokony hijerena ny fizarana tee shirt sy vola  kely omena ny mpifidy satria fitaka  bevava atao amin’ny vahoaka ireny. “Izao  iaraha-mahita izao  ny vokany. Tsy nahavita iray andro ireny vola kely ireny ka tokony  hojerena mba hahatongavana amin’ny fifidianana  madio sy eken’ny rehetra…”, hoy izy. Momba ny Ceni kosa, nohitsiny fa mandringa noho  ny tsy  fahitana ny tena mpilalao fototra ao anatin’io  rafitra io. “Lesoka ny  tsy fananan’ny antoko politika  ao anatiny. Tsy mipetraka ny fahaleovantenany. Mbola andrasana amin’ny governemanta amin’ny tetibolam-panjakana ny vola ho azy ireo…”,  hoy Ratafika.

Tsy  misy kajikajy politika fa ho tombontsoan’ny  vahoaka

Nitondran’ny Maitso hasin’i Madagasikara ny heviny koa ny fanitsiana ny lalàmpanorenana. Manaiky izy  ireo raha  hatao izany saingy  nametraka fepetra. “Tsy hijerena ny tombontsoa manokana fa ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary tsy misy kajikajy politika  na fitiavan-tena. Aoka hatao mangarahara sy tsy tery vay manta na amboletra.  Tokony miandalana ary hampahafantarina ny vahoaka ny votoatiny, indrindra fa ny  tantsaha  satria lesoka  izany”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany, nambarany fa efa nanana volavolan-kevitra nalefa amin’ny antanan-tohatra izy ireo momba ny fanatsarana ny lisi-pifidianana. Eo koa  ny fanentanana  ny mpikambana eo anivon’ny antoko  hijery akaiky izany.  “Ny mpiara-monina eny ifotony  koa tokony hanara- maso  na ao avokoa  ny  iray tanàna na  tsia. Tokony mifankalala ny mponina ary afaka mifampiresaka  momba izany…”, hoy  izy.

Nitondrany ny  heviny koa ny momba  ny tetibolam-panjakana, hodinihin’ny parlemantera  ka nilazany fa zary lasa laharam-pahamehana avokoa ny rehetra. “Efa  latsaka an-katerena  isika… Na izany aza, misy ny laharam-pahamehana ambon’ny laharam-pahamehana.  Ohatra  ny momba ny fiainan’ny vahoaka. Tokony hojerena izany… Mandeha amin’ny resaka  tontolo  iainana koa izany raha ho anay maitso… Aoka tsy hodinihana fa ho any  fa ho any. Jereo akaiky io  tetibola io ry  parlemantera. Farito  ny laharam- pahemahana…”, hoy izy.

Kandidà tokana amin’ny fifidianana filoham-pirenena

Momba ny fiarahana eo anivon’ny vovonana Armada kosa, nambarany fa mbola voatana ny hanolorana miaraka kandidà tokana na  samy manana ny fotokeviny  aza izy  ireo. “Misy ny vina iraisana  itondrana ny firenena.  Olon-dehibe nifanaiky sy nifanao velirano ny mpitarika  ny  Mapar, Hiaraka isika, Malagasy miara-miainga, Maitso hasin’i  Madagasikara ary koa ny Avana,  ka  tsy hisy  ny fivadibadihana satria efa mafy fototra izahay amin’izao fahefa taonanay izao…”, hoy izy. Notsiahiviny fa mahay miasa mirindra izy  ireo ary hivory ato ho ato hanendry ny ho kandidà iraisana  amin ‘ny fifidianana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.