Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny Tim ihany no tratry ny antsojay : nandihizan’ny HVM sy Rakotovao Rivo i Mahajanga

Ny Tim ihany no tratry ny antsojay : nandihizan’ny HVM sy Rakotovao Rivo i Mahajanga

 Nitranga ny nampoizina amin’ny mizana tsindrin’ila eto amin’ny firenena. Namory vahoaka nanoloana ny lapan’ny Tanànan’i Mahajanga ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo sy ny HVM, ny  asabotsy teo. Tsy nisy  fanakanana nataon’ny Emmo/Reg izany hetsika izany.

Fotoana nampahafantarana sy niarahabana ity filoha vaovaon’ny andrimpanjakana etsy  Anosikely ity, izao natao tany an-toerana izao. Vory maro ny vahoaka ary rakotra olona ny manodidina. Noferana ny lalana nizoran’ny fiara ary navily lalana izy ireny ka voaelingelina ny fifamoivoizana satria tonga ny lehibe. Ankoatra ny kabary nifandimbiasana sy nisehosehoana ary  ny fampanantenana mahazatra, nanafana  ny lanonana  teny an-tsehatra ireo mpanakanto maro any an-toerana. Anisan’ny nahavory ny olona rahateo ny fijerena fety tsy andoavam-bola.

Nanaovana pimaso  ny vahoakan’i Mahajanga

 Nanaovana pimaso amin’ny vahoakan’i Mahajanga koa  ka ilazana fa misolo ny toeran’ny  loholona teo aloha, Ahmad, lasa filohan’ny Caf ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo izao hetsika izao. Hadinon’ny mpitondra anefa fa anisan’ny nanendrena io filohan’ny federasion’ny  baolina kitra teo aloha io ho  loholona ny maha silamo sy Sakalava ny tenany. Nosarontsaronana amin’ny kabary tsara lahatra sy fety izany tao Mahajanga…

Araka izany, tsy mazava intsony  ny tian’ny mpitondra hahatongavana. Rehefa iza sy  inona no afaka mamory vahoaka an-dalambe  sy omena alalana hanao izany ?

Nosakanana amin’ny fomba rehetra ny  Tim

Mazava izany izao fa afaka manao hetsika sy fety ary lanonana eny an-dalambe ny tompom-pahefana, rehefa nahazo seza  miaraka amin’ny antokon’ny fitondrana HVM”, hoy ny depiote Randrianarisoa Guy  Rivo ao amin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly.

Tsiahivina fa tratry ny antsojay sy nosakanana tamin’ny fomba rehetra ny antoko  Tim raha  nikasa ny hanamarika ny faha-15 taona nijoroany ny volana  jolay  teo, ho an’ny  teto Antananarivo sy ny tany  Toamasina. Nampiakatra ny raharaha teny amin ‘ny fitsarana mihitsy izy  ireo  ary nandresy, saingy tsy nampiharina izany didim-pitsarana izany.

Randria  

 

Les commentaires sont fermées.