
Menatra indray ny minisitry ny Fizahantany, Ratsiraka Rolland, raha efa nilaza teo amin’ ireo mpandraharaha eto Toamasina sy tao Antananarivo fa efa voavaha nandritra ny fifampiresahana tamin’ny sekretera jeneralin’ny vondrona iraisam-pirenena momba ny fizahantany “OMT” tonga nanao fitsidihana ofisialy teto Madagasikara farany teo, fa tsy hihemotra ny fahatongavan’ny sambo lehibe indrindra “Costa Romantica sy sambo “VIP” “Costa Aida” mpitondra mpizahatany maherin’ny 1500. Raha ny datin’ny 7 novambra fantatra fa hahatongavan’ iry voalohany, ary ny 27 novambra ho avy izao kosa no an’ ity faharoa ity. Mpanan-karena ao Alemana no mpanjifa mandeha amin’izany sambo izany noho izy natokana ho an’ny kilasy voalohany (VIP) amin’ny mpizahatany. Noho ny tahotra amin’ny mbola tsy faharesen’ny firenena malagasy ny fiparitahan’ny valanaretina pesta, nihemotra avokoa ny fahatongavan’ny sambo roa hitondra mpizahantany eto amintsika. Hihemotra iray volana avokoa ny fahatongavan’ny sambo raha ohatra foana tanteraka ny valanaretina pesta, ka misy fandriampahalemana sy fahadiovana.
Maloto i Toamasina
Nanitrikitrika ireo mpandraharaha amin’ny lafiny fizahantany, fa raha tsy handray andrakitra amin’ny fanadiovana ny tanàna ny kaominina sy ny rehetra, tsy ho tonga eto amintsika ireo mpizahatany iraisam-pirenena, araka ny fanambaran’ny tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika. Maloto i Toamasina, eo ny loton’ny tanàna noho ny fako sy lobolobo, eo ihany koa ny tsy fandriampahalemana.
Sajo
Les commentaires sont fermées.