Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanendaka dimy lahy tratran’ny UIR

Mpanendaka dimy lahy tratran’ny UIR

Lehilahy miisa telo no voasambotry ny polisy teo am-pangaronana paosina vehivavy niantsena tao amin’ny Coum ny alarobia, 1 novambra  tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Lehilahy roa hafa ihany koa no tra- tehaky ny UIR teo am-panendahana rangahy iray efa mamo ny alakamisy, 2 novambra tokony ho tamin’ny 11 ora sy 45 minitra alina, nandritra ny fisafoana izay natao. Nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nahatazana ny polisy ka raikitra ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra loatra, voasambotra izy roa lahy.

« Manoloana ny fahamaroan’ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ireo mpanendaka sy mpanao sinto- mahery amin’iny faritra 67 ha iny, tsy mitsahatra manao ny ezaka rehetra ny polisy miasa eto an-dRenivohitra mba hampandriana fahalemana iny faritra iny, ary mandray anjara feno ao anatin’izany ireo vondrona manokana avy ao amin’ny « Unité d’intervention rapide » na ny UIR hahazoana ireo mpanao ratsy”, hoy ny fanazavan’ny polisy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.