Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra afrikanina – «Ligue des champions» : voahosotra ho tompondaka ny Wydad Maraoka

Kitra afrikanina – «Ligue des champions» : voahosotra ho tompondaka ny Wydad Maraoka

Norombahin’ny Wydad Casablanca, avy any Maraoka, ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny baolina kitra. Resin’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, teo amin’ny famaranana miverina, ny Al Ahly avy any Egypta. Fihaonana notanterahina ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Mohammed V.

Baolina tokana, tafiditr’i El Karti, teo amin’ny minitra faha-69, izay nitondra ny Maraokanina any amin’ny fibatana ny amboara. Raha tsiahivina, efa nisaraka ady sahala 1 sy 1 ny roa tonta, nandritra ny lalao famaranana mandroso, notanterahina tany Borg El Arab Stadium, ny asabotsy 28 oktobra, lasa teo. Nanantombo teo amin’ny isan’ny baolina maty ny Wydad,  rehefa natambatra ny isan’ny ekipa roa tonta, teo amin’ireo fihaonana indroa miantoana ireo, ka naha voahosotra azy ireo ho tompondaka.

25 taona aty aoriana, vao niverina teo am-pelatanan’ny Wydad indray ny ho tompondakan’i Afrika. Na izany, mbola mijanona ho klioba nahazo ny anaram-boninahitra be indrindra aty Afrika  ny Al Ahly, izay efa nandrombaka imbalo izany tompondaka izany, ka ny azony farany dia ny tamin’ny taona 2013.

Tsiahivina fa ekipa fantatry ny Malagasy tsara ny Wydad, satria izy ireo no nanakana ny lalan’ny Cnaps Sport, teo amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.