Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiverina ny fampianarana : mbola tsy voavaha ny olan’ny saram-pianarana volana oktobra

Hiverina ny fampianarana : mbola tsy voavaha ny olan’ny saram-pianarana volana oktobra

Hiverina any an-dakilasy ny mpianatra rehetra ho an’ny Cisco 114 manerana ny Nosy, anio, rehefa niato nandritra ny iray volana ny fampianarana noho ny valanaretina pesta. Ho an’ny sekolim-panjakana, vonona hiatrika ny taom-pianarana vaovao ny rehetra satria vita ny fanadiovana sy ny fandrarahana fanafody ny efitrano fianarana rehetra. Efa nahazo ny fitaovana enti-miasa ny ekipan’ny komity mpanara-maso ny fahasalamana any an-dakilasy ary voapetraka ny toerana hanokanana ny tsy salama ka ahina ho pesta. Noentanina hanaraka ny toromarika koa ny sekoly tsy miankina hiomana amin’ny fiatrehana ny valanaretina raha sanatria mitranga izany. Zavatra iray tsy mbola voavahan’ny mpitantana ny sekoly tsy miankina koa ny saram-pianarana volana oktobra. Misy tamin’ireo sekoly efa nandray izany na tsy nandia lakilasy aza ny mpianatra nandritra ny iray volana. Tsy nisy mihitsy lamina, indrindra avy amin’ny mpampianatra ho an’ireo efa niditra mialoha (volana septambra) momba ny fizarana ataon’ny mpianatra any an-trano, nandritra ny fiatoana noho ny pesta.

Hifarana ny 22 desambra ny fotoam-pianarana 

Nanamarika ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazana fa hifarana ny 22 desambra ny roa volana voalohany ary hitsahatra hatramin’ny 3 janoary ny fampianarana. Miditra amin’ny telo volana faharoa ny sekoly ny 4 janoary taona 2018. Hanamarika ny Andron’ny sekoly ny 21 -23 febroary. Miato ny 28 marsa ny fampianarana ao anatin’ny fialan-tsasatry ny Paska hatramin’ny 2 avrily. Manomboka ny 3 avrily ka hatramin’ny 22 jona ny telo volana fahatelo. Mitsahatra ny fampianarana mandritra ny fanamarihina ny fetim-pirenena ny 25-26 jona. Miverina izany ny 27 jona ary tsy hifarana raha tsy ny 3 aogositra 2018. Miditra amin’ny fialan-tsasatra lehibe ny 4 aogositra ny mpianatra.

Tsy miova fa ny talata 31 jolay 2018 ny fanadinana CEPE ary ny 20-23 aogositra ny BEPC.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.