
Nifarana, omaly alahady, tany Lomé Renivohitr’i Togo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny basikely lalaovina olona telo, sokajy lehilahy sy vehivavy na ny Fiba 33 “Africa cup”. Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny ekipa malagasy lehilahy, nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity. Lavon’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa, 21 no ho 16, i Madagasikara. Niady ny fihaonana satria nifanenjehana hatrany am-boalohany ny lalao saingy teo amin’ny 3 minitra farany, vao afaka nitsoaka an-dry Elly sy Claudio, ry zareo Ivoarianina.
Na izany na tsy izany, tsy nitsanga-menatra mihitsy, i Madagasikara satria afaka nandavo an’i Togo, mpampiantrano, teo amin’ny ampahefa-dalana. Vokatra, izay tsy nisy nanam-po mihitsy. Noheverin’ny rehetra mantsy fa ekipa fakana isa fotsiny ny Malagasy saingy vato nanakana ireo ekipa vaventy. Marihina fa efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ny Malagasy, tamin’io dingana io. Anisan’ny tsy nampoizin’ny rehetra ihany koa ny naharesy an’i Egypta, laharana voalohany aty Afrika. Lavon’i Nizeria, teo amin’ny ankatoky ny famaranana, ihany koa izy ireo.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.