Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pikarohana : nanajary ny « Danse Totokafo » ny tarika Gas.pu

Voka-pikarohana  : nanajary ny « Danse Totokafo » ny tarika Gas.pu

« Danse Totokafo », io no trandran-kanto voajarin’ny tarika Gas.pu.  Dihy noforonina tao anatin’ny enim-bolana izy ity ary notsoahina avy amin’ny fihetsik’ilay vorona totokafo na kakafotra monina eto Madagasikara.  “Ny tanana miampy ny tongotra no ampiasaina betsaka indrindra anatin’ny « Danse Totokafo » fa tsy mihetsika firy ny fitombenana”, hoy i John-Fréderic, lehiben’ny tarika sady mpamorona eo anivon’ny Gas.pu.

Tanjona ho azy fito mianadahy mandrafitra ny tarika ny hanala voly sy hanabe ary hampita ny endri-piaraha-monina tojo azy ireo mba hakana lesona hanitsiana izay mety ho lesoka. Tononkira mora raisin’ny rehetra satria mivantana no harafitry ny tarika hanjary kanto an-kira ravahana dihy. Manao ny gadona milamina sy mihetsika rahateo ity tarika ity.

Tsy manadino ny maha Malagasy azy ny tarika sady maneho ihany koa fa voafehin’izy ireo ny kantom-bahiny. Taratra izany amin’ny fampiasana ny zavamaneno toy ny saksofona sy ny trompetra laroina ny kabosy zavamaneno malagasy.  Misokatra amin’ny fiaraha-miasa ho amin’ny fanabeazam-boho ny mozika malagasy ny tarika.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.