Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Roa taona niforonana : manomana hetsika ny tarika Mate-Otia

Roa taona niforonana : manomana hetsika ny tarika Mate-Otia

Rakikira voalohany mirakitra sanganasa mahatratra 11. Fanomanana hetsika goavana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny tarika Mate-Otia avokoa ireo amin’izao fandiavany ny faharoa taona niforonany izao. Raha ny fantatra, efa manana hira hatrany amin’ny 50 ity tarika ity tao anatin’izay fotoana izay. Ao ireo efa heno any amin’ny haino aman-jery toy ny « Manina anao », « Mifanelanelana », « Resaka be dia be », sns. Anisan’ny imasoan’ity tarika vao misondrotra kanefa efa manana ny mampiavaka azy ity ny fanandratana ny kolontsaina malagasy. Tarika Mate-Otia ahitana an’i Hassim, i Dapa, i Vonjy, i Mômô ari i Coco.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.