Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rasoazananera Monique : “Afaka miaro tena ny mpianatra mandritra ny Codis”

Rasoazananera Monique  : “Afaka miaro tena ny mpianatra mandritra ny Codis”

 Raharaha tsy maintsy irosoan’ny minisIteran’ny Fampianarana ambony ny famahana ireo olana toy izay niseho eo anivon’ny oniversiten’i Mahajanga izay nahatonga fampiakarana Conseil de discipline (Codis) ireo mpianatra 60 eo ho eo. Manoloana ireo fihetsiketsehana  ataon’ireo mpianatra sy ireo olobe (ray aman-dreny sy mpitarika ara-pomban-drazana) ao Mahajanga izay mangataka ny fanafoanana na ny fanemorana io Codis io, nanambara ny minisitra fa ny fiakarana Codis tsy midika avy hatrany ho fanasaziana. “Fihainoana sy fifampiresahana no atao, ka afaka manazava sy miaro tena ny amin’ireo anton-javatra iantsoana azy ny mpianatra tsirairay voakasika. Avy amin’izany no andraisana fanapahan-kevitra na tokony ho voasazy izy na tsia. Mbola misy sokajy ihany koa ny sazy”, hoy ny minisitra Rasoazananera Marie Monique.

Ankoatra izay, manoloana ny ezaka fikasana hampitovy ny fidiran’ny mpianatra izay tsy mbola mety ho tratra ankehitriny, hampiantso fivoriana tsy ara-potoana ireo filohan’ny oniversite sy ny IST, ny ministera handinihina izany. Indroa isan-taona io fivoriana io Conférence de présidents et recteurs des institutions d’enseignement  supérieur (COPRIES)  ary efa vita daholo izany ho an’ity taona ity. « Lohahevitra maro hitondra vahaolana maharitra sy filaminana eo anivon’ny Anjerimanontolo no hodinihina amin’izany fivoriana izany», hoy ny ministra.

Vonjy A.

 

Les commentaires sont fermées.