Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Paipaika politika : atao ny handanina befahatany ny tetibola 2018

Paipaika politika :  atao ny handanina befahatany ny tetibola 2018

Toy ny isan-taona ny paipaika sy kajikajin’ny fahefana mpanatanteraka? Andrasana fotoana farany ny fanolorana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona manaraka, eny anivon’ny Antenimierampirenena. Na voaray mialoha aza izany, tsy tratra aoriana amin’ny fandaharam-potoana.

Vokany, tsy manana fotoana handinihina lalina sy maharitra izany ny parlemanta, na eo aza ny karazam-piofanana amin’ny famakiana izany. Tsy misy firy ny adihevitra, indrindra ny amin’ny tena tombontsoam-bahoaka eo amin’ny sosialy: fahasalamana, fampianarana, fandriampahalemana…

Efa niady mafy hampiakarana sy hametrahana araka ny tokony ho izy ny sosialim-bahoaka amin’ny alalan’ny tetibola, ohatra, ny firaisamonina  sivily, tamin’ny taon-dasa. Saingy tsy hita ny vokany, ny eo ihany no eo.

Tsy lavina, anisan’ny avo indrindra amin’ny tetibola ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana, ohatra, saingy tsy mbola mahasehaka ny filan’ny vahoaka. Mbola andoavam-bola ny fitsaboana sy fampianarana, fa tsy araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana.

Fototry ny fivoriana ara-potoana faharoa ny tetibolam-panjakna

 Efa mazava izao fa ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona manaraka, no fototry ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimiera roa tonta, ankoatra ireo tsy vita tamin’ny fivoriana voalohany sy ny volavaoaln-dalàna vaovao. Nefa iandrasana fotoana faramparany mandrakariva izany, ka fahoany fahoany ny fandaniana azy.

Efa fanao isan-taona, tsy mety ho vita aloha noho ny paipaika. Toy ireo lalàna saro-pady na manahirana ny mpanatanteraka: ny lalàna mifehy ny serasera… mamono fahafahana, ohatra. Saika amin’ny alina no andaniana azy, vitsy ny mpivory maharitra hatramin’ny farany. Miady amin’ny torimaso fa tsy ny tena tombontsoam-bahoaka?

Tsy mampiraika ny tombontsoam-bahoaka, hany ka tsy mahamaika ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny Antenimiera, ohatra, raha tsy amin’ny 23 sy 24 novambra, na   izao aza ny fahoriam-bahoaka? Tsy fandriampahalemana, pesta, vidim-piainana, ady tany…

Tsy mahagaga sy tsy zava-baovao ny paipaika sy kajikajy politika lava amin’ny atao, fa ny ho azy ihany no zava-dehibe mahamaika ny mpitondra?

R. Nd.

(Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.