Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanao politika sy firaisamonim-pirenena : « Takinay hivoaka amin’ny herinandro ny lalàm-pifidianana »

Mpanao politika sy firaisamonim-pirenena  : « Takinay hivoaka amin’ny herinandro ny lalàm-pifidianana »

Nivory tetsy Antaninarenina, afakomaly ireo antoko politika sy fiarahamonim-pirenena maromaro. Nitaky hamoahana ato anatin’ny fotoana fohy ny volavolan-dalàm-pififidnana izy ireo noho ny hakelin’ny fotoana.

 Tapaka fa manome herinandro ny governemanta mba hamoahana izany ireto mpanao  politika  ireto. “Mitaky fanolorana anay ny volavola savaranonandon’ny lalàm-pifidianana vaovao izahay  hahalalan’ny besinimaro ny  marina,  ao anatin’ny mangarahara. Omenay hatramin’ny alakamisy 9 novambra izao ny fitondrana hamoahana  izany”, hoy ny fanambarana iombonana novakin’ny mpitondra tenin’izy ireo, Ramarojaona Yves.  Nohitsin’ny fanambarana  fa atao izany noho  ny  hamehana satria iaraha-mahalala fa amin’ny volana  desambra  2018 ny tokony hanaovana ny fifidianana  filoham-pirenena, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana.

Korontana amin’ny fifidianana 2018

Niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa  ireto mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena  ireto mba hanohana izany ezaka atao ho amin’ny fametrahana ny  demokrasia  eto amintsika izany.

Ankoatra izany, niraisan’izy ireo hevitra fa tokony hahitsy ato  anatin’ny fotoana fohy ny lalàm-pifidianana satria maro ireo  teboka mitondra ho any amin’ny tsy fahatomombanana ary koa mba ialana amin’ny korontana amin’ny fifidianana ny taona 2018.

Anisan’ny nitondra ny heviny ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana. “Manaiky ny hanohana izao dingana izao ny Frantsay sy ny Vondrona eoropeanina. Tokony ho dingana azo antoka anefa ny hirosoana fa  tsy fivoriana tahaka ny mahazatra ka  tsy ahitam-bokany”, hoy izy.  Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny nambaran’ny avy amin’ny Freedom, notarihin’ny filohany,  Rakotondrazafy Lalatiana. “Mety ho tonga amin’ny  fampitambaran-kery noho   ny tombontsoam-pirenena  sy ny vahoaka izao mba tsy ho tahaka lalàn’ny fifandraisana sy ny serasera  izany ka hiova  an-dalana sy tsy horaisina ny hevitry ny sasany”, hoy  izy.

Miantso fahamalinana  sy fihaonana ny antoko politika 

Nambaran’ireo komitin’ny fakan-kevitra tamin’ny alalan’Andriamandrato Ihanta fa  tsy mety ny fomba nandrafetana io volavolan-dalàm-pifidianana io. “Ahina tsy hitondra fitoniana izany satria  tsy  voahaja ny hevitry  ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena ary koa ny sehatra iraisam-pirenena… Tokony ho mailo isika ary hanohy ny fihaonana”, hoy izy.

Na izany aza, tsy mbola nanambara ny hataony izy ireo raha dila io fe-potoana, herinandro nomeny ny fitondrana, io.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.