Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina : Tarika telo hampanakoako ny mozika “gospel”

Kolontsaina : Tarika telo hampanakoako ny mozika “gospel”

Fotoana maromaro no efa niketriketrehan’ny Label Free Humanity tetikasa iray, miavaka. Tsy inona izany fa ny seho hotanterahina ny tolakandron’ny 12 novambra izao, etsy amin’ny CC Esca Antanimena. Miompana amin’ny lohahevitra hoe “Go & Share” izany ary hampanakoako ny hira fiderana an’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny “gospel”.

Haharitra ora telo be izao ny fampisehoana, izay hahenoana sanganasa maherin’ny 25. Hasongadina kokoa, amin’ireo, ny “gospel” avy any Amerika. Mampanantena ny mpikarakara sy ireo tarika haneho ny talentany fa hianoka fahafinaretana ao anaty aim-panahy feno fitiavana sy fiderana ny Tompo ny mpanotrona.

Mikasika izay tarika izay indrindra, notsongain’ny Free Humanity ireo heverina fa efa kalaza sy tsy zovina amin’ny maro intsony amin’ity karazan-kira ity. Inoana fa ho fahombiazana tanteraka ny hetsika miaraka amin-dry TGC, GMMC ary ny Singers of Jesus. Miara-miasa amin’ny matihanina eo amin’ny fanatontosana hetsika goavana ny mpikarakara mandritra ity seho ity, ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.