Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Telma coupe» : hanala vela amin’ny Cosfa ny Adema

Kitra – «Telma coupe»  : hanala vela amin’ny Cosfa ny Adema

 Hotanterahina, rahampitso alahady, ny lalao manasa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Mada”. Kianja roa no hampiantrano izany, amin’ity. Any Fianarantsoa, hifampitana ny AS Adema sy ny Cosfa. Ekipa samy avy amin’ny ligin’Analamanga. Hanala vela, amin’ity, ny Adema. Efa nifandona mantsy ny roa tonta, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka ka lavon’ny Miaramila, tamin’io, ny ekipan’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Marihina fa ny ekipan’ny Cosfa ny hany sisa mbola mandray roa eo amin’ny fifaninanam-pirenena : ny amin’ity fiadiana ny amboara ity sy ny eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka.

Ankoatra izay, hifampitady any amin’ny kianja Rabemananjara ny Fosa Juniors sy ny RTS Jet Mada. Sambany vao hifandona ny roa tonta. Samy manana ny fahaiza-manaony na ny andaniny na ny ankilany. Hiendrika famaranana kely mialoha ny fotoana  ity lalaon’ny roa tonta ity. Mety manana tombony aloha ny Fosa noho izy ireo hilalao ao amin’ny kianja mahazatra azy sy eo anoloan’ny mpomba azy.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.