Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hampandrosoana ny tanàn-dehibe ny AVCOI

Hampandrosoana ny  tanàn-dehibe ny AVCOI

Anjaran’ny Nosy La Réunion indray izao. Efa any an-toerana, hatry ny afakomaly ny  ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao, hiatrika ny fihaonan’ny Fikambanan’ireo ben’ny Tanàna amin’ireo tanàn-dehibe aty amin’ny ranomasimbe Indianina (AVCOI). Anisan’ny antom-pijoroan’ity fikambanana ity  ny fampandrosoana ireo  tanàn-dehibe, ao anatin’ireo tanàna mpikambana. Manamarika ity fihaonana  an-tampony ity  ny maha sekretera mpanatanteraky ny AVCOI  ny sekretera jeneralin’ny  kaominina Antsirabe, Razafindrazaka Lalaina. Manao  izany asa izany atsy amin’ ny Nosy La Reunion ao St Denis ny tenany. Efa nandray ny asany ny volana septambra teo  ary  nahazo   ny  tsodranon’ny  ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao, izy tamin’izany.

Tsiahivina fa natao teto amintsika ny volana desambra 2016 ny fihaonana an-tampony farany ary noraisin’ny tanànan’Antananarivo.

Manohana izao hetsika izao ny eo  anivon’ny Fikambanan’ny ben’ny Tanàna eo  anivon’ny Frankofonia (AIMF)  sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE).  Nitsena ny  ben’ny Tanàna Ravalomanana Lalao  teo am-pahatongavana  ireo Malagasy miasa sy monina ao amin’ny Nosy La Réunion. Nihaona amin’ireo mpomba ny filoha teo aloha,  Ravalomanana  koa ny tenany.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.