Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiparitahana basy : lehilahy iray nahatrarana P.A sy bala efatra

Fiparitahana basy : lehilahy iray nahatrarana P.A sy bala efatra

Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny basy PA voafahana bala efatra, tany Mahajanga, ny fiandohan’ny herinandro teo.  Avy amina loharanom-baovao no nahafantarana fa misy lehilahy mampiahiahy manana basy tao amin’ilay toerana iray be olona. Nilatsaka tao amin’ny toerana voatondro avy hatrany ny mpitandro filaminana, ary nanao ny fisavana ka voamarina ny fisian’ny basy. Nampiseho antontan-taratasy nolazainy fa ahafahany mitazona ity basy poleta ity ilay lehilahy milaza ho tompony rehefa nosamborina ka nanaovana fanadihadiana. Hita anefa fa taratasy efa lany andro tsy mifanaraka amin’ilay basy tratra no sarona. Tazonina eny amin’ny polisy hatreto ilay lehilahy hanaovana fanadihadiana. Talohan’izao, nisy fanafihana Karana nitranga tany Mahajangabe, izay mbola tsy fantatra ny nanao azy. Nitondra basy ireo jiolahy ka ahina ho anisan’ireo ity tratra niaraka tamin’ny basy ity. Miparitaka loatra ny basy amin’ny faritra maro eto an-dRenivohitra hatrany amin’ny faritra. Mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana ity tratra farany ity. Misokatra ny fanadihadiana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.