Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nigadra noho ny fisolokiana… : saron’ny polisy fanindroany indray i Herinala Véronique

Efa nigadra noho ny fisolokiana…  : saron’ny polisy fanindroany indray i Herinala Véronique

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly (SCLC) tao an-tranony eny Andavamamba, afakomaly ny vehivavy iray antsoina hoe Herinala Véronique, 35 taona, voarohirohy ho nanao fisolokiana avolenta. Araka ny fanazavan’ny polisin’ny SCLC, nisy olona tonga tao amin’izy ireo, ny 18 oktobra 2017 lasa teo nametraka fitoriana momba ny fisiana vehivavy iray nisoloky azy ireo. Voalaza tamin’izany fa vola manodidina ny 3 tapitrisa Ar no lasan’ity vehivavy mpisoloky ity. Milaza ho mahafantatra fikambanana manampy olona sahirana sy maty vady avy any ivelany i Véronique. Nilaza izy fa mila mikarakara taratasy marobe mba hahafahana mahazo ny fanampiana ka izay no antony nangalany ireo volabe ireo. Rehefa tonga anefa ny fotoana voalaza fa hahatongavan’ilay fanampiana dia narirarian’i Véronique ireto olona nosolokiny ireto. Nanomboka teo, tsy hita intsony izy ka nahatonga azy ireo nametraka fitoriana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy. Nilaza izy fa efa fanaony ny misoloky olona toy izao. Efa nigadra teny Antanimora noho ny fisolokiana ihany koa izy kanjo voasambotry ny polisy indray.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.