Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny pesta : nanolotra fitaovana sy fanafody ny Startimes

Ady amin’ny pesta  : nanolotra fitaovana sy fanafody ny Startimes

 Ho fandraisana anjara momba ny ady amin’ny valanaretina pesta, nanome  fitaovana telo, fanafody 30 litatra ary afisy misy fanentanana ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazana ny orinasa Startimes, omaly teny Anosy. Maharakotra velarana 20 000 toradroa ny ranom-panafody hamonoana bibikely samihafa ao amin’ny efitrano fianarana 167, araka ny fanazavana azo. “Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo, nandefa hafatra sy fanentanana amin’ny fahitalavitra rehetra  mahazo ny fandaharana alefan’ny Startimes ny tomponandraikitra. Hafatra momba ny fitandroana ny fahadiovana hatrany hisorohana ny pesta”, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny orinasa, Julien Kai. Manan-danja lehibe ho an’ny orinasa ny fianakaviana sy ny firaisankina ka nahatonga azy ireo hanohana ny minisitera amin’ny alalan’ny fanampiana. 300 ny afisy mitondra fanentanana hapetraka amin’ny toerana maro. Nandray ny fitaovana ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Rabeson Rolland.

Nitondra fanampiana (mitovy amin’izay nomena ny minisitera) ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa ny Startimes ampiasaina eny amin’ny tsena. Nisolo tena ny ben’ny Tanàna nandray izany ny lefitra voalohany, Ramboasalama Emilien. Miasa amin’ny firenena 35 mampiroborobo ny fahitalavitra nomerika ny Startimes ary manana mpanjifa 10 tapitrisa.

 Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.