Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amin’ny fifidianana mihaona e !

Amin’ny fifidianana mihaona e !

Tsy firaharahana ny fahantran’ny vahoaka sy ny tsy fandriampahalemana, fivarotana ankolaka ireo harem-pirenena (hazo sarobidy, biby ahina ho ringana, tanindrazana, sns) na fakana izany an-keriny, fanampenam-bava sy fampiasan-kery amin’ireo mitroatra manoloana izany tsy rariny sy tsy ara-dalàna izany, sy ny maro tsy ho voatanisa.

Be ny voalaza teto mikasika ireo fahazaran-dratsin’ny fitondrana, izay mampitondra faisana ny vahoaka, ireo. Isan’andro mantsy, misy hatrany ny tranga maneho izany tsy fahombiazan’ny mpitondra ankehitriny izany ary tsy azon’ny mpampahalala vaovao odian-tsy hita. Toy ny mahazatra sy efa iarahan’ny rehetra mahalala anefa, tsy henony na odiany tsy re izany rehetra izany. Ny ataony ihany no ataony !

« Be politika », araka ny fomba filazana ireo olona fetsifetsy, tokoa ireto mpanao politika eto amintsika ireto. Mahay kajikajy, araka ny voalaza teto amin’ny « Indraim-bava », omaly. Hatramin’ny hampandresena ny filoha am-perinasa amin’ny fifidianana ho avy io aza, angamba, efa voapetrapetraka any ?

Fa na be kajikajy aza ny mpitondra ary na inona na inona fanafenany ny tsy mety ataony sy ny fahazaran-dratsiny, miharihary amin’ny vahoaka hatrany izany. Indraindray, angamba, mieritreritra izy ireo hoe tsy takatry ny madinika, vizana amin’ny ady amin’ny fahantrana izany … Na koa hoe milamina ireo rehefa « tsipazana » kely.

Ho aiza moa ? Raha hampiaka-peo eo, tsy hamoahan’ny sasany be basy ? Saingy misy ny fifidianana, hanehoan’ny vahoaka ny heviny. Nefa indray, hoy, angamba, ianao hoe « efa hain-dry zalahy koa anie ny mangala-bato e ! ». Tsy ny fositra akory anie no tsy ambolem-boavahy e ! Anjaran’ny olom-pirenena tsirairay ny miaro ny safidiny. Any amin’ny fifidianana àry mihaona ry mpitondra ô !

Landy R.       

 

Les commentaires sont fermées.