Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Terres des enfants -Toamasina novatsian’ny Orange : fitaovana ny toeram-panofanana

Terres des enfants -Toamasina  novatsian’ny Orange : fitaovana ny toeram-panofanana

Nanolotra fitaovana ho an’ny sampana fanofanana Centre femmes à venir ao amin’ny ONG Terre des enfants Madagascar ny fikambanana Orange solidarité, ny faran’ny volana teo, tany Toamasina. Nahazo fitaovam-panjairana, fanadiovana, fanenomana, kojakoja fanamboarana mofomamy, boky, ordinatera ny foibe ary nanolotra izany tany an-toerana ny filohan’ny Orange solidarité, Randriambeloma Josie. Niarahan’ny ONG sy ny Orange Solidarité nanangana ny taona 2012 ny ivontoeram-panofanana momba ny asa ahitana zaitra, petakofehy, fahandroana sakafo, fanaovana mofomamy… ho an’ny ankizy 14 -16 taona. Manomana ny tanora hiditra amin’ny tontolon’ny asa ny tetikasa ary manampy amin’ny fifehezana ny informatika ihany koa mandritra ny fiofanana. Avy amin’ny fianakaviana sahirana ao Toamasina na ankizy niala an-daharana tany an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpiofana ao amin’ny foibe.

Efa nanohana ny ONG ny Orange ny taona 2009, tamin’ny fizarana fitaovam-pianarana sy kojakojam-pidiovana ho an’ny zaza sahirana. Tohana avy amin’ny mpiasan’ny orinasa Orange any Frantsa no nahafahanana nanatanteraka izany hetsika izany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.