Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Tsinjakabe II : hahazo 5 tapitrisa Ar ireo mpandresy

Rugby Tsinjakabe II  : hahazo 5 tapitrisa Ar ireo mpandresy

Hotanterahina eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny 19 novambra ho avy izao, ny andiany faharoa amin’ny rugby Tsinjakabe. Fihaonana karakarain’ny fikambanana SOEES, misahana fialamboly sy hetsika ara-panatanjahantena. Marihina fa fihaonana efatra no indray hotanterahina ka iray eo amin’ny vehivavy, 1 eo amin’ny diviziona faharoa ary 2 kosa ho an’ny Elite 1.  Ho goavana ary hiavaka ity indray mitoraka ity, satria homen’ny mpikarakara, lelavola 1 tapitrisa Ar, miampy amboara ireo ekipa rehetra mandresy isaky ny sokajy. 600.000 Ar kosa ny faharoa.

Hiara-dalana, amin’ny baolina lavalava, amin’ity andiany faharoa ity, ny fisian’ny rindran-kira iarahana amin’ireo artista mikalo ny vazo mafana sy mafaoka. Raha tsiahivina, nandrombaka ny amboara, tamin’ny andiany voalohany ny Tam Anosibe rehefa nandresy ny TFA ary ny USA Ankadifotsy, izay nanilika ny FTM Manjakaray. Ho hampahafantarin’ny mpikarakara, amin’ny zoma ho avy izao, ireo ekipa handray anjara sy hiady io lelavola be io, amin’ity rugby Tsinjakabe II, ity.

 Torcelin

Les commentaires sont fermées.