Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : fiovana hanaovana fanovana

Ela izay niandrandran’ny vahoaka fitrangana fiovana izay. Tsy ny fanomezan-toky ahatongavana amin’io tanjona io no tsy nisy. Izay rehetra nijoro nanolo-tena hiakatra eo amin’ny toerana ahazoany manao izany dia nilaza avokoa ny fahavononany sy ny fahaizany. Tsy fanova-maso toy ny an’ny mpanao mazia an-tsehatra anefa izy ity, na afaka heverina hanaovana fahagagana. Tontolon’ny fifandraisana eto amin’ny fiaraha-monina sy ny fikirakirana ny raharaha iaraha-manana no isehoan’ny fiovana. Tsy hampiova na inona na inona raha tsy ny toe-tsaina eo amin’ny fitantanana izany no miova. Io toe-tsaina io anefa tsy hiova irery amin’izao na eo aza ny fanetren-tena. Ilaina ny fifehezana azy hizotra hatrany amin’ny làla-mahitsy voasoritry ny lalàna. Ny lalàna moa dia tady henjana tsy misy goragora mifehy tsy misy fandeferana. Ny rehetra no feheziny amin’izany. Efa mandingan-tena ka very hasina ny lalàna raha mamela irika ahafahan’olona hivoaka any ivelan’ny fifehezany dia fanekena ny fisian’ny sokajin’olona T  simatimanota. Iza no azo lazaina hoe “Tsimatimanota” afa-tsy ny olona tsy afaka ho tsaraina ara-dalàna na inona na inona heloka vitany afaka hiampangana azy. Azafady tompoko fa amin’izao fotoana izao, noho ny mbola tsy fijoroan’ny “Haute Cour de Justice” tanteraka ahafahany manefa ny adidiny antsakany sy andavany, dia mbola Tsimatimanota ny “fahefana mpanatanteraka” izany hoe ny Filoham-pirenena, ny Praiministra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Hafahafa ihany izany. Izy ireo dia tompom-pahefana afaka mandidy sy manapaka, nefa tsy tompon’adidy ka tsy afaka tazonina noho ny nataony na noho ny vokatry ny nataony. Izany hoe tsy hita atao inona na miseho aza fa tsy tao ilay toe-tsaina. Ny ahiahy tsy ihavanana. Iaraha-mahafantatra koa fa saro-pady ny raharaham-pirenena no tsy mitsahatra ny fakam-panahy amin’izany noho ny fahabetsahan’ny vola sy tombony kirakiraina. Noho izany rehetra izany sy ny antony maro tsy voatanisa, raha tsy mipetraka ny fifehezana tsy ankanavaka ny toe-tsaina dia tsy hisy ny fiovana. Na tsy hanira-tena hitsara ary ny tena, ampy haneho ny zava-misy ny fampijoroana ny Fampihavanam-pirenena izay hiadidy ny famelan-keloka. Na nisy ny fanaovana heloka, na nisy ny fanamelohana noho ny fanaovana fitsarana tsy nanaraka lalàna. Resaka pôlitika ity ! Afa-tsy ingahy Marc Ravalomanana, moa ve misy “tompom-pahefana mpanatanteraka” niharana didim-pitsarana manameloka ? Moa ve tsy tompon’adidy koa ny fitantanana nanolotra an’io olona io eo anoloanan’ny fitsarana izay tsy mahefa raha ny lalàna no jerena ? Lasa tafiditra ao anatina “boribory tsy hita amoahana ny resaka”. Fanina eo am-pihodikodinana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.