Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Namono ny ben’ny Tanànan’Ampefy : voatifitra ilay jiolahy

Namono ny ben’ny Tanànan’Ampefy : voatifitra ilay jiolahy

Jiolahy roa indray lavon’ny zandary raha telo hafa azo sambo-belona nandritra ny fanakanana ireo andian-jiolahy miisa 12 nirongo basy sy zava-maranitra nikasa hanafika mpanan-karena iray ao Chute de la Lilly Ampefy, ny alin’ny 29 oktobra 2017 teo. Tratra tany amin’izy ireo ny basy iray sy bala roa. Nahazo loharanom-baovao ny zandary momba ny fisian’ireto andian-jiolahy mikasa hanafika tao Ampefy. Mivondrona ao amin’ny trano kely iray an’ny mpiambina saha ao Ambatondramijay (4 km miala an’Analavory) fokontany Amparaky Ampefy izy ireo manomana ny fanafihana. Namonjy io toerana io avy hatrany ny zandary ka tratra tao tokoa ireo olon-dratsy. Nitifitra avy hatrany izy ireo raha vao nahita ireo zandary. Raikitra ny fifandonana tao anaty haizina ka voatitifitra ny roa. Voasambotra kosa ny telo.

Rehefa nozahana ireo maty voatifitra dia i Letsivery ny iray. Izy no isan’ny atidoha tamin’ny famonoana ny ben’ny Tanànan’Ampefy volana vitsivitsy lasa izay. Vaomieran’ny fandriampahalemana ary nampiantrano ireo jiolahy ireo tao amin’io trano kely fiambenana saha io ny iray amin’ireo azo sambo-belona.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.