Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Ligue des champions» : tafita amin’ny 1/8-n-dalana ny PSG sy ny Bayern

«Ligue des champions»  : tafita amin’ny 1/8-n-dalana ny PSG sy ny Bayern

Nitohy, ny talata lasa teo, nanerana an’i Eoropa, ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka “Ligue des champions”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo efa tafita amin’ny ampahavalon-dalana ny PSG sy ny Bayern de Munich, ho an’ny sokajy “B”. Ny Parizianina, nanintsana ny Anderlecht, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, ary ny Bayern, nandresy ny Celtic Glasgow, tamin’ny isa 2 no ho 1. Manana isa 12 ny PSG taorian’ity lalao ity ary isa 9 ny an’ny Munich.

Mbola ady goavana kosa ny sokajy “C”. Hiankina amin’ny andro farany mantsy vao ho fantatra izay ho tafita. Na izany aza, resin’ny AS Roma, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Chelsea. Manana isa 8, hatreto, ny Roma ary isa 7 ny an’ny Chelsea. Ratsy toerana kosa ny Atletico de Madrid, izay tsy mbola manana afa-tsy isa 3. Ny Atletico izay nisaraka 1 no ho 1 tamin’ny Qarabag.  Mila mandresy ny Madrilènes, amin’ny lalao manaraka, raha te ho tafita. Mitarika amin’ny isa 12 ny Manchester United, ho an’ny vondrona “A”, rehefa nandresy ny Benfica, tamin’ny isa 2 no ho 0.” Voalohany hatrany ny Barcelone, ho an’ny sokajy “D, na voatazon’ny Olympiakos, samy tsy nitoko aza, arahin’ny Juventus, nanao ady sahala 1 sy 1, tamin’ny Sporting.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.