Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jeneraly Ramakavelo Désiré : “Olona any ivelany no mamatsy basy ny dahalo”

Jeneraly Ramakavelo Désiré  : “Olona any ivelany no mamatsy basy ny dahalo”

 Mbola olana fototra eto amintsika ny tsy fandriampahalemana: anjatony ny dahalo, anarivony ny omby very… Maneho ny fijeriny ny mpandalina tantara sady minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha, ny jeneraly Ramakavelo Désiré: “Olona any ivelany no mamatsy basy ny dahalo hahazony ny harentsika aondrana.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny ady atao amin’ny pesta amin’izao fotoana izao?   

 Jeneraly Ramakavelo Désiré (-): Azo sorohina ny aretina… Aleo misoroka toy izay mitsabo. Iaraha-mahita tsy misy afenina ny loto manerana ny tanàna. Nefa mety mitondra valanaretina ny loto. Anisan’izany ny pesta. Ny mampalahelo, mieritreritra isika fa izay tomponandraikitra voalohany no tratran’io: ny fanadiovana, ohatra. Anjaran’ny kaominina io.

Ny tena loza indraindray: ny toerana misy fako miavosa, misy mpivarotra hani-masaka. Aza gaga raha tonga ny pesta. Iza no omen-tsiny: ny fitondram-panjakana sa ny vahoaka mametraka loto? Tiako hapetraka amin’ny toy izao izay toe-tsaina izay.

* Ahoana ny amin’izay hoe toe-tsaina izay?

– Lasa misavorovoro isika mianakavy. Nefa iza no manao loto? Hatrany am-piangonana io… Tokony hampieritreritra antsika izay toe-tsaina izay amin’izao fisian’ny pesta izao, fa tsy hifampitora-bato eto. Ny tokony hatao amin’izao, atao ny fitiliana sy ny fitsaboana amin’izay itrangan’ny pesta mba tsy hampihanaka ny aretina.

Mbola misy toe-tsaina mila hapetraka koa: angalarin’ny havany, ohatra, ny fatin’izay matin’ny pesta. Tsy fantany ve fa tena zava-doza izany? Hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy azo atao am-pasan-drazana ny olona matin’ny pesta: tsy maintsy atao aniritra ary tsy kitikitihina intsony. Raha ny tena marina aza, dorana izay matin’ny pesta mba tsy hampiparitaka ny valanaretina. Nefa tsy mbola mahavita an’izay isika Malagasy. Misy toe-tsaina tokony harenina sy hapetraka momba ny pesta.

* Ny fijerinao ny tsy fandriampahalemana efa tena tsy zaka intsony amin’izao? 

– Ampifandraisiko hatrany amin’ny fahantrana io… Tsy misy raim-pianakaviana raha mbola afa-mamelona ny vady aman-janany no faly hangalatra, na handroba, na hamono olona… Tamin’ny Repoblika I, tsy nisy, ohatra, izany dahalo mangalata omby anjatony izany, vono olona, trano na tanàna dorana… Maninona no misy an’izany amin’izao?

Tsotra ny fahitako azy: eo ny fahantrana, fa eo koa ny vahiny mety ho mpanararaotra. Mba hahazoany ny harentsika, tambazany noho ny fahantrana ny olona ka manao ny tsy fanao. Lasa mifamono ny samy Malagasy. Tsy azo eritreretina izany hoe dahalo anjatony no indray mandroaka omby anjatony maro. Hatao aiza? Ny dikan’izany, aondrana fa tsy amidy eny an-tsena…

* Ary ny amin’ny resaka hoe manana fitaovam-piadiana tsara no ho ny an’ny mpitandro filaminana ny dahalo?

– Izay indrindra no itenenako hoe avy any ivelany no mahatonga an’io… Olona any ivelany no mamatsy basy ny dahalo hahazoany ny harentsika aondrana. Amin’izany, mihafoana ny harentsika; ny vahoaka, mifamono. Izay no tadiavin-dry zareo.

Tsy azo eritreretina ny hoe dahalo manana fitaovam-piadiana tsara lavitra sy betsaka ary vaovao no ho an’ny mpitandro filaminana. Nisy fotoana nahitana basy tafiditra amina kaontenera eto tamin’ireo mpitondra nifandimby ireo. Nankaiza ireny? Raha vao hoe anjatony ny dahalo, anjatony maro ny omby lasa: mazava ho azy fa lasa toy ny indostria ny halatra omby, misy manondrana. Tsy maintsy misy vahiny ao ambadika.

Nangonin’i R. Nd.

Les commentaires sont fermées.