Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hohadihadin’ny Bianco ny « Raharaha Villa Elizabeth »

Hohadihadin’ny Bianco ny « Raharaha Villa Elizabeth »

Ho  tonga hatraiza indray ? « Hohadihadina ny nanao ny fifampivarotana io  « Villa Elizabeth » io ary hiantso ny Bianco  izahay hanohizana  ny dingan’ny  fanadihadiana efa eo an-tanan’izy ireo, hijerena ny tena tompon’andraikitra nivarotra  ny tanim-panjakana », hoy ny minisitra isany, Ramanatsoa Benjamina sy Andriambololona Vonintsalama,  afakomaly. Nambaran’izy ireo fa nofoanana ny fivarotana ary averina amin’ny fanjakana ny  “Villa Elizabeth”.

Anisan’ny manaitra amin’ity raharaha ity ny  tsy nahalalan’ireto minisitra roa  ireto izany raha tsy notairin’ny filoham-pirenena sy nanatona azy ireo  ilay  orinasa nividy, Madaterrain. Tsy mahagaga raha lasan’olon-kafa ny tanim-panjakana na tranom-panjakana eto amintsika. Tanàna lehibe sy trano be tahaka  ny eny Ivandry  aza tsy fantatr’izy ireo, mainka fa ny any an-toeran-kafa rehetra any ? Iandrasana fanairana sy fampahafantarana  hatrany ?

Etsy andaniny, inoana fa tena  hanao  ny asany ny Bianco amin’ny fanadihadiana, saingy ny mampanahy ho  very an-javony tahaka  ireo raharaha hafa rehefa entin’ity rafitra eny Ambohibao ity eny amin’ny fitsarana izany. Olobe rahateo ny tompon’antoka tamin’ny fivarotana  ny “Villa Elizabeth”.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.