Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiadidiana ny Tanàna : « Maimaimpoana ny fitsirihin’ny Omavet ny taxi… »

Fiadidiana ny Tanàna  : « Maimaimpoana ny fitsirihin’ny Omavet  ny taxi… »

Nanala ny ahiahy rehetra. “Tonga nizaha ifotony ny zava-misy sy ny fomba fiasa eto amin’ny Omavet aho, ary nandroso hevitra ny hanaovana maimampoana ny fitsirihana ireo taxi hatramin’ny volana desambra izao ho fanamaivanana azy ireo. Tsy misy resaka fanilihana ireo fiara efa tranainy fa tanjona ny fiezahana hanatsara ireo fiara miasa hiarovana ny mpandeha”, hoy  ny mpanolotsain’ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Marc, ny  talata teo teny Ampasampito. Nambarany koa fa havaozina ny endriky ny “lanterne”  ary mbola betsaka ny fanovana hatao, hanatsarana ny tanàna. Tonga nanamafy ny fahafantarana ny fitsirihana ataon’ny Omavet ireo solontenan’ny mpanao taxi- ville. “Hitanay  ary tsapanay fa tsy misy sarotra sy tokony hampatahotra ny fitsirihana atao. Efa misokatra ary maimaimpoana ny “banc d’essai” ety ka manentana ireo taxi namana tsy ankanavaka izahay mba ho tonga sy hanao “contre visite”, tsy andoavam-bola, hatramin’ny faran’ny taona izao”, hoy  izy ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.