Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote Mapar – Villa Elizabeth : « Tsy misy sonian-dRajoelina sy Lalao Ravalomanana »

Depiote Mapar – Villa Elizabeth : « Tsy misy sonian-dRajoelina sy Lalao Ravalomanana »

Mahatsiaro ho voatohintohina ka nivoaka amin’ny fanginany. “Tsy misy idiran-dRajoelina sy Ravalomanana Lalao ny fangatahana na fifampivarotana ny tany sy ny tanàna, “Villa Elizabeth”. Manana porofo izahay fa  tsy hoe miaro azy ireo befahatany fotsiny amin’izao”, hoy ny depiote Mapar, Raholdina Naivo, afakomaly tetsy Ambondrona. Nohitsiny tanteraka fa tsy nandalo filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra ny momba io fivarotana tanim-panjakana eny Ivandry io. “Tokony ho nahalala  izany Tabera Randriamantsoa raha nisy resaka momba izany satria minisitra ny tenany tamin’izany fotoana izany ary mpiara-dia  amin’ny Pr Zafy”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa tanim-panjakana madiodio ary  tranon’ny Pr Zafy amin’ny maha filoha  teo aloha azy ny ao amin’ny “Villa Elizabeth”. “Manana zo tahaka izany avokoa ireo filoha teo aloha rehetra”, hoy ity depioten’ny boriborintany fahadimy ity.

Midika izany fa tsy mitombina ny fanelezana vaovao amin’ny maha voasaringotra amin’io resaka tany io  ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina sy ny Praiminisitra lefitra Andrianainarivelo Hajo, efa niala mialoha  ny septambra 2013.  Tahaka izany koa ny  ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, tsy anisan’ny nanasonia izany fifampivarotana izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.