Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampandrana – Besarety : nirefodrefotra ny poa-basy, jiolahy voatifitry ny polisy

Ampandrana – Besarety  : nirefodrefotra ny poa-basy, jiolahy voatifitry ny polisy

 Nirefodrefotra indray ny poa-basy teny Ampandrana Besarety, omaly tamin’ny 3 ora sy 30 mn maraina. Jiolahy roa , 30 sy 41 taona indray voatifitry ny polisy ka namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ny iray. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly kosa ny iray. Nifanome tanana tamin’ny fanenjehana ireto jiolahy ireto ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo Antaninandro, ny UIR ary ny BC sakelika fahatelo. Araka ny fanazavan’ny polisy, tokantrano miisa telo indray lasibatr’ireto jiolahy ireto tamin’ny omaly nanomboka teny Anjanahary ka very tamin’izany ny entana sarobidy tao an-trano niaraka tamin’ny vola 1 hetsy Ar. Nitohy teny Besarety indray izany ka lasan-dry zalahy koa ny entana sarobidy tao an-trano niampy vola 3 700 000 Ar. Tsy nianona fa mbola nanafika teny Ankadivato indray izy ireo. Very tamin’izany ny solosaina, tele, tablette miaraka amin’ny entana isan-karazany mitentina 3 600 000 Ar. Tamin’ity toerana farany ity no tratran’ny polisy ireo jiolahy rehefa nifanenjehana ka voatifitra teo amin’ny feny ny iray raha teo amin’ny lamosiny kosa ny iray faharoa. Tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo. Nohamafisin’ny polisy fa miaraka fito ka hatramin’ny sivy izy ireo rehefa manafika ary mitondra basy PA sy sabatra. Monina eny Andavamamba sy Mandrangobato ireto jiolahy voatifitra ireto, araka ny fanazavan’ny polisy hatrany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.