Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

900 tapitrisa Ar no efa azony… : saron’ny polisin’ny BC i Andoniaina

900 tapitrisa Ar no efa azony… : saron’ny polisin’ny BC i Andoniaina

 Herinandro taorian’ny namoahana didy fikarohana azy, voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC), teny amin’ny Solimotel Anosy, ny alarobia lasa teo i Andriamamonjisoa Andoniaina. Manodidina ny 900 tapitrisa Ar ny vola efa voasolokiny…

 

Noraisim-potsiny! Nitsoaka tany Antsirabe i Andoniaina satria marobe ireo olona nosolokiany vola ka samy nametraka fitoriana azy teny amin’ny polisin’ny BC. Nohamafisin’ny polisin’ny BC, sakelika fahatelo fa manodidina ny 900 tapitrisa Ar any ho any ny vola voasolokin’i Andoniaina tamin’ny fanakalozana ireny vola vahiny ireny. Nilaza izy fa na ny fianakaviany aza tsy nahalala izay nisy azy fa ny talata teo izy vao nigadona teto Antananarivo. Voasambotry ny polisy kosa izy ny ampitson’io teny amin’ny Solimotel Anosy. Tsara ho marihina fa tsy mitsaha-mitombo hatrany ny fitarainana voarain’ny polisin’ny BC sy any amin’ireo kaomisaria manerana ny boriborintany  eto an-drenivohitra momba ity lehilahy mpisoloky gagilahy ity.

Raha tsiahivina ny zava-niseho, ny alatsinainy 23 oktobra 2017 teo, nandeha nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava i Andoniaina sy ny dadatoany izay nilaza fa nisy nisoloky ny volany. Nanjavona tampoka anefa izy taorian’izay ka tsy hita intsony. Ao anatin’ny fanadihadiana azy ny polisy ka hatolotra ny fampanoavana izy aorian’ny famotorana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.