Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

1 novambra : nisokatra avokoa ny tsena, tsy nandeha ny varotra voninkazo

1 novambra  : nisokatra avokoa ny tsena, tsy nandeha ny varotra voninkazo

Betsaka ny toeram-piasana nanohy ny asa fanaony andavanandro indrindra ny toeram-pivarotana sy fisakafoana, omaly tontolo andro. Andro tsy fiasana rahateo ny omaly, ka nifanaretsaka ny mpiantsena teny Analakely, Behoririka hatrany Andravoahangy. Nanjaka ny fitohanan’ny fifamoivoizana ka nahasorena ny maro maika hamonjy fotoana. Nifanotofana koa ny taxi-be mampitohy ny Renivohitra sy ny toerana manodidina. Tao ny fianakaviana nanararaotra nitsangantsangana, ny sasany kosa namangy ny fasan-drazana toy ny isan-taona.

“Nihena ny olona nividy voninkazo teny Anosy raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Sahirana tokoa ny fianakaviana ka nampandeferina ny voninkazo na tsy nitombo aza ny vidiny”, hoy ireo mpivarotra.

Tsy vitsy koa ireo nisafidy ny hijanona ao an-trano fotsiny hiaraka amin’ny ankohonana ary miara-miala voly. Ny mpino kristianina katolika nahatsiaro ny olomasina rehetra tamin’ny lamesa, ny ao amin’ny finoana loterana kosa nanamarika ny fetin’ny Filazantsara. Samy nanana ny fomba nanamarihana ny 1 novambra ny rehetra.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.