Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hafa mihitsy hoy aho i Madagasikara

Hafa mihitsy hoy aho i Madagasikara

Na inona na inona zava-miseho sy zava-misy eto amin’ny tanàna, na ankaratsiana na ankatsarana, mbola ankamamian’ny rehetra izany hoe i Madagasikara. Mitsiriritra azy avokoa ireo vahiny, amin’ny vazantany efatra. Te handrombaka azy daholo izao tontolo izao. Sambatra ny Malagasy manana azy. Hafa mihitsy hoy aho, izany Madagasikara izany.

Miavaka amin’ny Afrikanina ny Malagasy, na aty Afrika aza, no misy azy satria iray ny fitenin’ireo foko 18 hita ao : ny Malagasy. Hafa mihitsy hoy aho i Madagasikara.

Tsy misy toa azy  manerana ny tany, noho ny fisian’ireo zavaboahary sy ny zavamaniry tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ihany. Fa mbola miavaka ihany koa ny fiaimpiainan’izany Malagasy izany. Tsy taitra, tsy maika nefa tsy tara amin’ny fihazakazaky ny fandrosoan’ny teknolojia, nefa very 50 taona, amin’ny fivoaran’ny firenena.

Hafa mihitsy hoy aho i Madagasikara, firenena tsy misy ady,  saingy tsy mandry fahalemana ny mponina ao aminy. Tanàna tsy rotiky ny baomba sy ny basy fa anjakazakan’ny dahalo sy ny jiolahy. Tsy misy toa an’i Madagasikara hoy aho eto ambonin’ity planeta tany ity. Vahoaka milamina, tsy miady an-trano, nefa tsy mifanara-tsaina.

Tsy atakalo ny hafa hoy aho i Madagasikara, raha ny fahasalamana no lazaina. Malagasy matanjaka, mitraka hatrany, tsy kivy fa  mijoro foana, na inona valanaretina miseho na inona otrikaretina misy. Mbola ankafizin’ny rehetra hoy aho i Madagasikara  na anjakan’ny voalavo aza  ny fiainany. Vahoaka tena mivavaka ny Malagasy, nefa indrisy fa tena mbola ivandravandran’ny asan’ny maizina ny firenena. Mandroaka devoly ny hafa, mampiditra satana ny sasany. Tena hafa mihitsy hoy aho ny Malagasy. Tsy misy miala eto izany hoy aho ny mpianakavy, fa hafa mihitsy i Madagasikara.

 Randriamamonjy Torcelin

 

 

Les commentaires sont fermées.