Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Mandray anjara amin’ny ny hetsika momba ny fahasalamana sy ny fahazoana aina etsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny Cnaps. Niavaka miohatra ny taon-dasa ny hetsika satria nomena laka kokoa ny trano fiantohana amin’ny fiahiana ara-tsosialy. Mampihatra ny paikady manatona akaiky ny vahoaka ny Cnaps, ka nomena fahafaham-po toy ny mankeny amin’ny birao ireo mpitsidika.

Azo atao ny mijery ny mombamomba ny mpikambana Cnaps, mamaha ny olana manome torohevitra koa ny tompon’andraikitry ny tranoheva.

 

Nanome fiofanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy tany Tanambe Ambatondrazaka ny Cnaps. Nampahafantarina ny adidin’ny mpampiasa sy ny zon’ny mpiasa, satria maro ireo tsy mahaloa ny latsakembony any amin’ny Cnaps. Manodidina ny 70 ny mpandray anjara avy amin’ny sekoly, kaominina, orinasa tsy miankina, sns. Nampahafantarina koa ny fanampian’ny Cnaps. Tsiahivina fa efa an-dalana ny famolavolana ny rafitra hitantanana ny fisotroan-dronono ho an’ny tantsaha. Faritra maro mpamboly, mpiompy, mpanjono ary mpanao asa tanana rahateo any Tanambe ka maro tokoa ireo liana.

Les commentaires sont fermées.