Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nahitana vaky fasana indray koa teny amin’ny fokontany Ambohipanja Ankadikely Ilafy, afakomaly tolakandro. Tonga nampandre tao amin’ny borigadin’ny zandary ao Ankadikely Ilafy ny quartier mobile ao Ambohipanja nampilaza fa misy fasana vaky ao amin’ny faritra iadidiany. Nidina teny an-toerana niaraka tamin’ny solontenan’ny kaominina ka hita tamin’izany fa taolan-dava miisa 24 no lasan’ireo mpangalatra.

Miisa 9 000 ny isan’ireo tovolahy hanampy ireo zandary ao amin’ny faritra Anosy amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. Nilatsaka an-tsitrapo ireto tovolahy ireto. Zatovo avy any Taolagnaro sy Amboasary Atsimo izy ireto. Ny firongatry ny asan-dahalo any an-toerana no nahatonga azy ireo hanao izao asa an-tsitrapo izao. Nisy ny fanofanana nomena azy ireo teo ambany fiahian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Andriamahavalisoa Girard.

 

Les commentaires sont fermées.