Nifanaiky ny hihaona amin’ireo solontenan’ny mpiasa sy ny mpamatsy ronono ireo tompon’andraiki-panjakana any Vakinankaratra, ny alakamisy teo. Tsy nipoitra anefa ny tompon’andraikitry ny talem-paritry ny indostria any an-toerana sy ny prefektiora ary nandefa ny mpitantsoratra kosa ny lehiben’ny Faritra. “Tsotra ny anay. Sokafana ny orinasa satria potika tanteraka ny fiainan’ny mpiasa sy ny tantsaha. Avy amin’ny vahoaka ny fanjakana ka tokony mba hojerena izy ireo”, hoy ny solontenan’ny mpiasa, Razakarivo Armando. Nambaran’ny tale jeneralin’ny AAA, Rabenantoandro Lanto kosa fa efa vitan’izy ireo ny zavatra notakin’ny fanjakana ary efa voapetraka eny anivon’ny tompon’andraikitra tokony hametrahana izany avokoa izany. “Miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa. Tokony ho ampolony ireo orinasa eto Antsirabe hikatona satria ananan’izy ireo porofo ny tsy fananan’ireo orinasa afaka haba ny fahazoan-dalana momba ny tontolo iainana. Afaka miasa ihany izy ireo. Tokony hitovy ny fanakatonana atao amin’ny orinasa rehetra”, hoy izy.
Midika izany fa mitady ny marimaritra iraisana amin’ny hanokafana ny AAA Tiko Andranomanelatra ireo mpiasa sy ny mpamatsy ronono. Nikatona efa tapa-bolana izao ity orinasa ity ary hifanilahan’ny tompon’andraiki-panjakana ny fanakatonana izany. Fampiatoana vonjimaika ny famokarana no tokony ho natao raha ny taratasy fa tsy fanakatonana sy fanapahana jiro, araka ilay didim-pitondrana.
Randria
Les commentaires sont fermées.