Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miala any ny lalao maloto : miahiahy ilay lalàm-pifidianana ireo mpanao politika

Miala any ny lalao maloto  : miahiahy ilay lalàm-pifidianana ireo mpanao politika

 Miray feo ireo antoko politika ary samy manahy mafy  amin’ny fitsipi-dalao. Nivory tetsy Antaninarenina, omaly ireo mpanao politika, ho tohin’ny fivoriana efa natrehan’izy ireo afakomaly teny Anosy. Nivoitra  tamin’izany fa tsy mankasitraka ilay lalàm-pifidianana izy ireo ary miahiahy koa ilay lalàmpanorenana vaovao halefa eny amin’ny Antenimierampirenena. Nisongadina tao anatin’ny fanambarana niraisan’izy ireo taorian’ny fihaonana fa mety hitongilana sahady izany lalam-pifidianana hodinihana eny amin’ny Antenimiera izany, amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao. Samy nanasonia  ny fanambarana ireo lehiben’ny antoko niatrika izany. Anisany ohatra ny avy amin’ny Tim, ny PLD, ny Mapar, ny DFP. Eo koa ny avy amin’ny Teza  sy ny mpiara-dia amin’ny Pr Zafy ary ireo maro hafa…

Tsy mifankahazo ny Ceni sy ny governemanta

Etsy andaniny koa anefa, mampiahiahy fa tsy anisan’ireo  tazana  nandray anjara tamin’ilay atrikasa teny Anosy afakomaly, ny eo anivon’ny Ceni na koa mba nandefa solontena. Anisan’ny tompon-draharaha anefa izy ireo. Araka ny loharanom-baovao, tsy faly amin’ny tsy nampidirana azy  ireo eo anivon’ilay komity iraisan’ny minisitera namolavola io lalàm-pifidianana io ireto mpikarakara fifidianana ireto. Midika izany fa nataon’ny fitondrana fisehosehoana eo anatrehan’ny maro, indrindra ny sehatra iraisam-pirenena fotsiny ilay atrikasa teny Anosy ary ilazana fa nakana hevitra ny rehetra. Ho tahaka ilay lalàna mifehy sesasera ihany izany ny lalàm-pifidianana… Hiova an-dalana ary hahafahan’ny fitondrana manao ny ataony?

Randria

 

Les commentaires sont fermées.