
Fanomezana kopia sy sora-piankohonana ary kara-panondro, findramam-bola hananganana orinasa fanaovan-jezika… Ny momba izany ny volavolan-dalàna naroson’ny governemanta hodinihin’ny Antenimierampirenena amin’izao.
Na ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola taona 2018 aza, tsy mbola ao amin’ny fandaharam-potoana. Nefa izay ny fototr’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao. Andrasana fotoana farany vao aroso mba handaniana azy fahatany?
Vokany, mampiaka-peo ny depiote fa tsy tokony hiandrasana ny fifanatrehana amin’ny governemanta, ny 23 sy 24 novambra, ny olana mahazo ny vahoaka amin’izao fotoana izao: tsy fandriampahalemana, pesta…
Maika ny pesta sy ny tsy fandriampahalemana
“Mitaraina ny solombavambahoaka fa miaina ao anaty tsy fandriampahalemana ny ankabeazan’ny vahoaka malagasy“, hoy, ohatra, ny depiote Mapar, Razafintsiandraofa Jean-Brunel. Nilaza koa izy ireo fa tsy resy lahatry ny fandraisana andraikitry ny fitondrana manoloana ny ady amin’ny pesta, izay tokony ho vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehana.
“Tsy misy mampilamina ny vahoaka ny volavolan-dalàna amin’ny fandaharam-potoana atolotry ny mpanatanteraka“, hoy ny depiote Mapar ihany, Ratsivalaka Michelle. Ahoana ny matin’ny pesta sy ny dahalo? Be ny matin’ny pesta, fa be kokoa ny matin’ny bala. Tsy laharam-pahamehana ny fahoriam-bahoaka, ary tsy mitsaha-mitotongana ny fiainantsika, raha ny nambarany.
“Be dia be ny maty amin’ny tsy fandriampahalemana, tokony io no hatao amin’ny fandaharam-potoana“, hoy ny depiote Tim, Rakotomanjato Rodin. Fanafody tadiavina fa tsy vola amin’ny ady amin’ny pesta. Be dia be ny manam-bola amina miliara: hanaovana inona, mankaiza?
Saro-toerana noho ny tsy fahombiazana ny mpanatanteraka
Be kajikajy sy paipaika fanamafisam-pahefana amin’izay mahametimety azy hatrany ny mpitondra? Na mitavozavoza sy tsy mahazaka andraikitra… Tsy mahamaika ny fiainam-bahoaka. Vao mainka mahasaro-toerana ny fitondrana izay, indrindra ny fahefana mpanatanteraka.
Efa hatramin’izay no tsy zava-dehibe mahamaika ny fiainam-bahoaka, saika atao takalon’aina aza. Misy ifandraisany amin’izany ve ny hoe fanangonan-tsonia hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta? Na mbola resaka politika hanamafisam-pahefana ihany, fa tsy misy izay fijerena ny fahasahiranam-bahoaka.
R. Nd.
Les commentaires sont fermées.