Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Barea de Madagascar : mpilalao «expatriés» 19 no nantsoin’i Dupuis

Kitra – Barea de Madagascar  : mpilalao «expatriés» 19 no nantsoin’i Dupuis

Araka ny hita tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly, namoaka ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Barea ny mpanazatra,  Nicolas Dupuis. Mpilalao avy any ampita avokoa ireo nantsoiny hikatroka amin’i Kaomoro.

Na tsy mbola nankatoavin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) aza, efa navoakan’i Nicolas Dupuis, omaly zoma, tao amin’ny tambajotran-tserasera, ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar, amin’ny fihaonany amin’ny Les Coelacanthes avy atsy Kaomoro, ny asabotsy 11 novambra 2017, ao amin’ny kianja St Leu La Forêt, région Parisienne. Fihaonana ara-pirahalahiana sady fanomanan’ny ekipa roa tonta, eo amin’ny fifanintsanana, “Can 2019”.

19 ireo nantsoiny ka mpilalao mila ravinahitra any ampita “expatriés” avokoa izy rehetra ireo. Na izany aza, nisy ihany ny fiovana satria tsy anisan’ireo voaantso, tamin’ity i Dafé sy i Mamy Gervais. Anisan’ny vaovao kosa ny mpiandry tsatoby : i Melvin Adrien, avy amin’ny AC Amiens, sy ireo vodilaharana roa : i Jérome Mombris sy i Fabien Boyer. Eo koa i Marco, mitana ny toeran’ny irakiraka. Niverina ao amin’ny Barea koa, amin’ity, i Anicet sy i Gladyson, lohalaharan’ny US Ste Marienne. Noho ny tsy fahafahan’ireo mpilalao eto an-toerana izay mbola hiatrika ny “Poule des As”, amin’io fotoana io, ny tsy niantsoana azy ireo. Hanomboka ny 5 novambra ho avy izao ny fampivondronana ireo mpilalao rehetra ireo.

Tompondaka

 

Toy izao ny anaran’ireo mpilalao 19 ireo :

 

Mpiandry tsatoby : Ibrahima Dabo (FC Gobelin) ; Melvin Adrien (AC Amiens)

Vodilaharana : Rambeloson Toavina (FC Tourcoing) ; Razakanantenaina Pascal (Arras Football Association) ; Fontaine Thomas (Clermont FC) ; Fabien Boyer (US Créteil) ; Mombris Jérome (Ajaccio)

Irakiraka : Abel Anicet (Ludogorets) ; Ibrahim Amada (Mouloudia Alger) ; Ilahimaharitra Marco (Charleroi) ; Randriambololona Zotsara (FC Royal Antwerp) ; Jean Stéphan (Red Star) ; Dimitry Caloin (SC Cholet)  ; Raherinaivo Rinjala (FC Sion) ; Nomenjanahary Lalaina (Paris FC)

Lohalaharana : Andriantsima Faneva Ima (FC Sochaux) ; Voavy Paulin (Makassa) ;  Andriamahitsinoro Carolus (Madinah) ; Henry Charles Gladyson (US Ste Marienne)

 

Les commentaires sont fermées.