Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Groupe Daniel sy ny STK Ambodihady : ahemotra ny seho etsy Antsahamanitra

Groupe Daniel sy ny STK Ambodihady  : ahemotra ny seho etsy Antsahamanitra

Anisan’ireo seho efa nandrasan’ny olona maro ny an’ny Groupe Daniel sy ny STK Ambodihady Vaovao Ambohimanarina. Noho ny tsy fahazoana mivorivory eto an-dRenivohitra vokatry ny fisian’ny pesta, nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra fa hahemotra ity fampisehoana saika hatao ny alahady 5 novambra izao ao Antsahamanitra ity. Nanamafy ny mpikarakara fa ampahafantarina amin’ny fotoana manaraka ihany ny andro hanatanterahana izany. Amin’izay fotoana izay, manan-kery ireo karatra efa lafo.

Fantatra fa anisany tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-17 taona niorenan’ny Groupe Daniel ity fampisehoana ity. Nomarihin’ny filohan’ny tarika fa tokony hivoaka amin’io 5 novambra io ihany koa ny rakitsary sy boky kely « Ny fahasoavana » mirakitra tononkiran’ny tarika. Mampanantena anefa izy ireo fa amin’ny fotoana hamerenana ny seho no hivoahan’izany ihany koa.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.